Asa ianareo izay efa nandre ilay hiran’i Princio sy Jaojoby hoe Darlin fa tena milay io bandy kely io an! I Princio no tiako horesahina. Tsy mbola nisy nandiso fanantenana ahy mihitsy izay feeling-n’i lehiry niainga hatramin’izay.
Raha tsotsorina indray ilay votoatin-tonon-kira dia hoe misy fehezanteny manahirana be hono ny manonona azy amin’ny teny malagasy kanefa dia fehezanteny sady tsotra no tsara.
Darlin, Faisons l’amour ce soir.
Mahagaga tokoa fa na dia ilay voambolana vao noforonina ho tsy mankarary sofina kokoa aza no hampiasaina (Andao hanao anio alina), mbola vulgaire be ihany angaha no fandre azy raha miohatra amin’ny fiteny frantsay. Ohatr’ireny hoe tsy manao ireny ny Malagasy ka mahamenatra ny miresaka an’izany.
Fa ny amin’izay efa voaresak’izy mianaka tsara fa ny mba valin-teny avy aty amiko fotsiny dia hoe misy ihany koa ny fehezanteny izay mora tononina ery amin’ny fiteny malagasy fa manahirana be kosa rehefa adika amin’ny fiteny baiko.
Ato am-piasananay misy sipa miendri-bazaha izay, malagasy izy fa tsy miteny malagasy mihitsy ary izay miresaka aminy aza dia efa zatra miteny frantsay. Vao tsy ela, novainy ny avatar-ny, dia sariny mitrotro sakakely mahafatifaty izay. Efa firesany matetika io sakany io, saka vavy hono, ary tena tsara ery ny fijery an’ilay avatar. Indray andro aho mba te hiteny aminy hoe maha-te hanafosafo be ahy ny fijery an’io sakavavinao io, dia amin’ny fiteny malagasy izy madio sy tsotra toy izay fa nony nataoko tamin’ny fiteny frantsay tena zisitoara.
http://tononkira.serasera.org/index.php?rub=tononkira/mpihira&id=973
Hevitra faramparany